Boky Voalohan'ny Mpanjaka
Toko faha-17
1 Ary Elia, Tesbita, isan'ny mponina tao Galaada, nilaza tamin'i Akaba hoe: Velona Iaveh, Andriamanitr'Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin'ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.2 Dia tonga tamin'i Elia ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
3 MialĂ eto hianao, ka mandehana miantsinanana, ary miere ao amin'ny ranon-driaka Karita, tandrifin'i Jordany. 4 Ny rano eo an-dranon-driaka no hisotroanao, ary goaika no efa nodidiako hamelona anao any. 5 Dia niainga izy ary nanao araka ny tenin'ny Tompo, ka lasa nonina tao amin'ny ranon-driaka Karita, tandrifin'i Jordany. 6 Nitondran'ny goaika mofo sy hena isa-maraina izy, sy mofo sy hena isan-kariva, ary nisotro rano teo an-dranon-driaka.
